Koba ravina

300

KOBA RAVINA

ZAVATRA ILAINA:

ravin'akondro ,
akondro,
koba vary,
voanjo voatoto 

FIKARAKARANA AZY:

Akondro masaka tsara no tena tsara atao, dia potserina tsara amin'ny sotro rovitra, asiana koba vary, velarina ny ravin'ny akondro  izay somary natonotono mba tsy ho tapakatapaka, dia asiana ilay fangaro 2 sotro eo ary asiana voanjo voatoto kely eo ampovoany, dia fonosina. Tsy misy fatrany moa satria ny akondro ihany no betsaka mahamamy azy dia ny koba koa izay mampifandray azy fotsiny satria mitombo iny avy eo
Rehefa vita dia alahatra ao anaty vilany : asiana sotro na sotro kely 3 eo ambany dia izay vao apetraka, mba tsy hikasika vody vilany izany ilay koba an, 
Asiana rano 1 na 2 verre eo araka ny habetsany , andrahoina amin'ny afo malefaka dia 15-20 min dia vita

FANAMARIHANA:
- raha tsy misy ravin'akondro dia azo soloina ilay film alimentaire na papier alu ireny dia mety tsara koa,

       - azo asiana vanille koa raha tia an 

       - raha tsy mahita farine de riz dia vary gasy mena no atao dia alona elaela kely dia somary amainina dia mixer-na.

mazotoa oo

 

Catégorie: 
Matériels: