Koba ravina 2

567

Koba ravina

ILAINA : 

Kobambary 2kp-800ar
Akondro 8 -600ar
Siramamy 2 sotro -200ar
Ravina akondro amonosana
Nahavita 18 kelikely

FIKARAKARANA : 

1-miaraka "mixer" - na daholo na potserina ny akondro dia asiana siramamy, afangaro tsara amin'ny koba (tsy mila rano fa rehefa mampitambatra azy ny akondro dia mety fa raha sanatria tsy mitambatra dia azo asiana kely )

2-Fonosina ravin'akondro avy nasalisaly tamin'ny  afo alefaka fa manjary tapaka rehefa avalona raha vao tsy asaly amin'ny afo

3-Ahandroina amin'ny etona "à la vapeur" na atao masakevoka "au bain marie" 40minitra: izany hoe
a/ à la vapeur na masakevoka dia : mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ilay lasitra misy an'ilay nahandro  (tsy mikasika ilay rano ny nahandro fa ambony ny lasitra)  dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy.
b/ "au bain marie": atao ao anaty vilany misy rano mangatsiaka ny lasitra misy ny sakafo dia andrahoina mandrapahamasaka. 

 Nahandron'i Tsito'Salohy Ravelomanantsoa

Catégorie: