Korzety frity

1038

Vokatra ny korzety ka dia azo ovaovaina ny fahandro azy mba hohanin’ny ankizy 
Ity dia azo asolo ny ovy endasina ihany koa 

KORZETY FRITY – Courgette frite – Zucchine fritte 

ZAVATRA ILAINA:

korzety
dipoavatra
curcuma
sira
menaka kely

FIKARAKARANA AZY:

Tetehina lavalava ny korzety tsy atao manify loatra 
Asiana sira, dipoavatra ary curcuma dia afangaro tsara
Asiana menaka kely ny lapoaly dia endasina ary tsy atao masaka be mba hijanona hikarepoka, 
Rehefa mena tsara dia apetraka ambony “sopalin” mba hiala ny menaka toy ny zavatra endasina rehetra. 
Aroso mafana 

Fanamarihana 

Azo atao pané ihany koa izy ity fa amin’izay dia miampy :
atody 
chapelure 
menaka betsaka kokoa 
asoka anaty atody avy eo chapelure dia endasina 
Mazotoa o

natolotr'i Gihane Bezaka

 

Ingrédients: 
Catégorie: