Korzety nendasina 1

909

LAOKA VEGETARIEN:  KORZETY nendasina - Courgette frite - zucchini trifolati

Fandrahoana korzety tsotra , vetivety, mora nefa matsiro tsara, "recette vegetarienne"

ZAVATRA ILAINA:

Korzety
tongolo gasy
menaka oliva
sira
kotomila

FIKARAKARANA AZY

Sasana tsara ny korzety dia tetehina manify boribory tokony ho 2mm eo ,
Asiana menaka kely ny lapoaly tsy miraikitra ary endasina ao ny tongolo gasy haka tsiro amin’ny afo malefaka
Arotsaka ny korzety ary saromana dia akarina ho afo mahery
Harona matetika fa mora miraikitra satria manify.
Rehefa akaiky ho vita dia asiana sira dia arotsaka ny kotomila efa voatetika.

Azo hohanina amin'ny hena, na trondro, na atao amin'ny pizza, na hohanina amin'ny vary 

Mazotoa o 

Catégorie: