Korzety voasesika vary

489

KORZETY VOASESIKA VARY

ILAINA :

korzety 1kg
vary 1/2 kp
voatabia 3
rano 250ml
sakaibe mavo (poivron) 1/2 na 1isa
voatabia amin'ny boaty 1 (140g)
hanitra izay tianao mihitsy (épices pour couscous ny ahy teto)

FIKARAKARANA :

- sasana, dia tetehana 4 na 5 ny korzety, loharana amin'ny sotrokely na ilay sotro manokana fanesorana azy ny atiny (tsy hatao hatrany ambany a) dia tsy ariana iny fa atokana.
- Tetehana madinika ny sakaibe, tetehana madinika koa ilay atin'ny korzety natokana teo, siraina, asiana hanitra dia somary masahana ambony afo antonony (tsy asiana rano sy menaka).
- Rehefa masamasaka ireo, dia sasana tsara ny vary, tsihifina tsara dia arotsaka ao. Vonoina ny afo, asiana 1sotro fihinanana amin'ilay voatabia tamin'ny boaty. Afangaro.
- Fenoina io sesika io ny korzety tsirairay. Dia saronana didim-boatabia ary alahatra anaty vilany antonona azy.
- Maka rano 250ml + voatabia amin'ny boaty 1sotro fihinanana, asiana sira dia afangaro. Araraka moramora amin'ny sisin'ny vilany nasiana ilay korzety.
- Tanehana amin'ny afo antonony mandritry ny 20 minitra, avy eo tanehana amin'ny afo faran'izay malefaka mandritry ny 30 minitra.

Fanamarihana : tsapako tsy ampy ny saosy, dia voatery nanao saosy manokana indray aho, fa ny tsara, alohan'ilay fe-potoana 30minitra faharoa io, dia ampiana toy ny teo aloha indray ny saosy (rano + voatabia amin'ny boaty sy jumbo 1 eto raha tia mafilotra). Tapitra ny fe-potoana dia esorina ambony afo fa tsy avela ho ritra.

Maivamaivana ery sady mba miova kely

 

Catégorie: