Kotoleta sy riz cantonais

733

KOTOLETA sy RIZ CANTONAIS 

Zavatra ilaina :
kotoleta 1kg ( na izay ampy ny mpianakavy)
"ras el hanout" 1sotro fihinanana
sira
thym maina 1/2 sotro fihinanana
menaka 2 sotro ( ho an'ny fandomana)
menaka hanendasana (toy ny hanao beignet)

vary masaka mitsiratsiraka izay sahaza efa nasiana sira
karaoty manta voakiky
harikaovera manta voatetika madinika
sira
jumbo (tsy voatery)
tamotamo 1 sotrokely (hanome loko mavo)
atody 1 na 2 nendasina
menaka 5 sotro fihinanana (afaka ampiana)

FIKARAKARANA AZY :
- lomana 1ora na mihoatra amin'ny "ras el hanout", sira, thym, menaka ny kotoleta
- endasina amin'ny menaka be toy ny hanao beignet avy eo, avela ho mendy tsara ny lafiny rehetra dia vita

- Endasina amin'ny menaka kely ny karaoty manta voakiky madinika, sy ny harikaovera manta voatetika madinika efa nasiana sira na jumbo (tsy voatery), ary tamotamo, rehefa mietry sy masaka dia vita
- endasina ihany koa atao omelette ny atody 1 na 2 dia tetehana manify kely
- afangaro amin'ilay vary masaka ireo rehetra ireo avy eo dia vonona

Fanamarihana :
- Rehefa kamo hiasa saina aho na tsy misy ho raisina, dia vary amin'ny karaoty (misy totonkena na tsia) dia vita, tsy mila filirony, afaka manao hena baolina mitokana koa miaraka aminy. 
- afaka manitatra ianao, manampy pitipoa, ovy nendasina voatetika madinika, olatra maina voatetika,....

Mazotoa o !
Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: