laingon-tsosety sy trondro

Portrait de Angie
739

LAOKA : LAINGON - TSOSETY SY TRONDRON-DRANOMASINA (poisson de mer)

ZAVATRA ILAINA :

Trondron-dranomasina 1kg ( izay tianao)
Laingon-tsosety 1 fehezana lehibe ( na izay ampy)
rano 1/2 vera
menaka 200ml
sira, dipoavatra, carry
tongolo gasy hasiny 2

FIKARAKARANA AZY : (vilany tsy mampiraikitra no nampiasaiko)

- tangosana sy kiraina ny ravin-tsosety, atao koa ny taho-malemy
- sasana dia alefa anaty vilany eo ambony afo, tsy asiana rano fa ranon-tsasany ihany, asiana sira. Andrasana hifintina ny anana.
- Alahatra eo amboniny avy eo ny trondron-dranomasina (tsy mila décongeler-na), asiana sira, dipoavatra, carry, tongolo gasy voakiky. Tapohana rano tapa-bera, avela hiketrika.
- Rehefa akaiky ho ritra, dia alefa ny menaka, avela ho ridritra dia vonoina ny afo.

Fanamarihana : tsy aroina sy tsy avadika mihitsy ny trondro mandritr'izay fiketrehana izay. Natsiro ry namako a !

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: