Laingon'ny brocolì

908

LAOKA VEGETARIEN:  FRIARELLI – LAINGON’NY BROCOLI’

ZAVATRA ILAINA

Friarelli (napolitain) na laingona brocolì izay ampy
Tongolo lay hasina 1
menaka oliva 
Sira 
Sakay izay tiana 

 

FIKARAKARANA: 

- Atao anaty lapoaly ny menaka oliva kely sy ny sakay ary ny tongolo gasy , atao afo malefaka mba haka tsiro tsara fa tsy ho may 
- Arotsaka ny anana efa voasasa  tamin’ny rano mangatsiaka ary voaetika lehibebe ,  avela ho mendimendy asiana sira izay tiana dia vita.

Azo hohanina amin'ny hena, na trondro, na atao amin'ny pizza, na hohanina amin'ny vary 

Mazotoa o 

Catégorie: