Laisoa voasesika

1126

LAISOA VOASESIKA ( feuilles de chou farcies )

AKORA ILAINA :

Totonkena 
tongolo gasy 
tongolo 
sira
dipoavatra
solila
voatabia 
Laisoa 1

FIKARAKARANA AZY:

- Afangaro ny totonkena, tongolo gasy voatoto, tongolo voatetika madinika, ny sira, ny dipoavatra, ny solila voatetika, ary ny voatabia voavaofy sy voatetika madinika. Ny fatra dia izay mety aminao.

- Alaina tsirairay ny ravina laisoa dia ampandalovina ao anaty rano masira mangotraka, tsifina, ary velarina hamonosana ilay sesika.

- Alahatra anaty vilany rehefa voafono tsara

- Rarahana ron-degioma iray vera (izay efa nomasahana mialoha) sy menaka in-3 sotro fihinana, saronana ny vilany ary ketrehana amin'ny afo malefaka ho masaka tsara ny hena sy ny fangarony ao anatiny. Tsy avela ritra loatra fa mba anajanonana saosy kely ho araraka eo amboniny rehefa haroso miaraka amin' ny mofo.

- Azo hilaofana vary ihany koa.

Mazotoa o!
Nahandro sy sarin'i Tiana Parlato 25.02.2018

Hoy Rila Hery Razaka : Ny fanaovako azy indray dia ravina sosety, mitovy tamin'ny nataon'i Tiana Parlato ihany ny fanaovako azy fa ny fangaro no hafa. Toto- kena malemy "mixer", haranany, atin'akoho gasy , kobam-bary( vary nototoina), tongolo gasy, sakamalaho, fonosina ary andrahoina amin'ny hena kisoa.

 

Ingrédients: 
Catégorie: