Lait de poule

305

Lait de poule 

zavatra ilaina : Isan'olona 

ronono 1 verre (azo atao 2 koa dia tsy mavesatra kokoa ) sy tamenak'atody 1, izay tiana kosa ny siramamy , (azo ampiana vanille na cannelle na clou de girofle. nefa koa azo asiana rhum na whisky kely raha ho an ny lehibe an)

Fikarakarana azy 
- afangaro ny siramamy sy ny tamenak'atody dia haroina tsara mba ho lasa toy ny creme, ary levona mihitsy aza ny siramamy,
- hafanaina ny ronono velona (ho anay dia tsy ampangotrahana mihitsy ny ronono fa atao mamay na mafana fotsiny, fa io izany dia miankina amin'ny toerana misy ny tsirairay izay hividianana ny ronono), azo atao ao ny vanille sns raha tiana 
- rehefa mamay ny ronono dia araraka tsikelikely ao amin'ilay fangaro siramamy sy tamenak'atody . (Atody gasy no tena tsara). 
- rehefa mitambatra tsara dia vita ary azo sotroina mafana na koa atao mangatsiaka dia ampidirina ao anaty frigo avy eo.

vokantsoa azo aminy dia :
- mamerina aina rehefa ilay reraka be iny, tena mandaitra be mihitsy.. 
- karazana "revitalisant" tena tsara hoan'ny olona reraka lava ... 
- mamerina calcium be mihitsy
- manampy be ny ankizy manao examen.koa amin'ilay mianatra be.

 

Lait de poule fruité

zavatra ilaina:
Ronono 1l, tamenaka atody 6, siramamamy izay tiana, kiwi 3, fraise

Fikarakarana azy 
Lait de poule fruite: lait de poule nature + voankazo izay tiana
Lait de poule nature: Kapohina ny tamenaka atody sy siramamy, rehefa levona ny siramamy dia andrarahana ronono mafana
Avela hangatsiaka io lait de poule nature io raha asiana voankazo fa azo sotroina mafana kosa raha ajanona nature
Mixer na miaraka amin'izay voankazo misy, kiwi sy fraise no nampiasaiko teto ka nozaraiko roa ilay lait de poule ka ny atsasany nataoko kiwi (voasana dia notetehina ary avy dia no mixer na niaraka amin'ilay lait de poule)

Dia mirary antsika hazoto homana indray ary e!

 recette de Tantely Arizo Ravelomanana et de Morgane Fox   
et de Aina Rakotoarisoa (Lait de poule fruité)

Catégorie: 
Matériels: