Lasagne bolognese

922

SAKAFO FENO : LASAGNE BOLOGNAISE -  LASAGNE ALLA BOLOGNESE 

Afaka amboarina avokoa na ny lasagne na ny sauce tomate na ny saosy béchamel fa ny ahy eto novidiana vita iretsy 2 voalohany

ZAVATRA ILAINA :

lasagne à garnir 1 fonosana 250g (2x250g ny boritra iray)
sauce aux tomates fraîches 4x190g 
totonkena 500g na 600g
tongolo 4
sira, dipoavatra
saosy béchamel 1L
fromazy voakiky (izay ampy)

FIKARAKARANA AZY : (eo amin'ny fonosana misy torohevitra)

- Hosorana dibera kely ny fanambanin'ny plat mahitsizoro asiana ny nahandro, dia fenoina amin'ilay "sauce bolognaise", avy eo "sauce béchamel", dia alahatra ny lasagne (iny maina iny fa tsy mila lemana), raradrarahana fromazy voakiky.
- araraka indray ny "sauce bolognaise", avy eo ny "béchamel", alahatra ny lasagne, rarahana fromazy voakiky. Toy izay hatrany.
- afangaro ny ambin'ny "sauce bolognaise" sy "sauce béchamel" dia araraka amin'ny tapon'ny nahandro ary raradrarahana fromazy voakiky.
- Alefa anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 45 minitra. Avela 5minitra dia aroso miaraka amin'ny salady.

 Ho an'ny "SAUCE AUX TOMATES" : ( ny soratra tamin'ny boaty no zaraiko dia anao no mahita ny fatrany a) 
- voatabia izay ampy, siramamy kely, sira kely, tongolo, menaka, ranomboasary makirana, fécule de maïs kely. Ireo no afangaro dia andrahoina ambony afo mandra-pahazo saosy marihatra (tsy atao marihatra be akory)

 Ho an'ny "SAUCE BOLOGNAISE " : 
- masahana amin'ny menaka kely ny totonkena sy tongolo voatetika nasiana sira sy dipoavatra, arotsaka ny "sauce aux tomates", aroina tsara.

 Ho an'ny " SAUCE BECHAMEL " :
dibera 80g, lafarina 80g, ronono 1L, sira, dipoavatra
- Atsonika ny dibera, avy eo arotsaka ny lafarina dia aroina tsara, arotsaka ny ronono dia aroina tsy ankijanona ka fouet no tsara hanaovana azy mba tsy hisy mivaingambaingana. Asiana sira sy dipoavatra. Rehefa tonga amin'ny rihatra itiavanao azy dia vita.

Araho an-tsary ny fikarakarana 

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: