Lasary korzety

530

"ENTREE FROIDE" : 
"LASARY KORZETY nohaingoana" - Achard de courgette 

ILAINA :
Korzety izay ampy
atody izay ampy
voatabia
menaka
sira, dipoavatra, vinaigitra
tongolo (tsy voatery)

FIKARAKARANA :
- andrahoina ny atody sasany atao "oeuf dur"
- manao "mayonnaise" amin'ny atody ambiny sy menaka ary sira
- zaraina 2 ny voatabia (afaka atao mikinifinify toy ny amin'ny sary)
- kikisana ny korzety manta dia afangaro amin'ny "vinaigrette" (sira, menaka, vinaigitra, dipoavatra kely, tongolo)
- Maka "plat" dia apetraka ny korzety, alahatra eo amboniny ny atody masaka voatetika boribory, ny voatabia nasiana mayonnaise ao anatiny.

Mazotoa o 

Nahandron'i ‎Elimigille Mayer Loup

Catégorie: