Lasary legioma sy carry

534

Lasary legioma sy curry

Zavatra ilaina:

karaoty, laisoa, haricots verts, sira, dipoavatra, curry, menaka oliva

Fikarakarana azy

Rehefa voasasa sy voatetika ny legioma dia maka wok na lapoaly dia asiana menaka oliva
Somary endasina ny legioma ary alefa araka ny hahamafiny ao anaty lapoaly : haricots verts , karaoty ary farany laisoa.
Asiana sira sy dipoavatra ary curry 
Tsy atao masaka loatra amin'izay mikarepoka kokoa.
Avela hangatsiatsiaka vao asiana "vinaigre" na voasary makirana raha tiana 

Azo asiana tongolo gasy, tongolo be, sakamalaho ihany koa.
dia mazotoa homana oo
 

Catégorie: