Lasary saosety 1

84

LASARY SOSETY NA SAOSETY - christophine , chouchoute anarany avokoa 

ZAVATRA ILAINA:

saosety,
mayonnaise,
atody,
vinaingitra,
sakaibe,
menaka,
sira,
dipoavatra
tongolo maintso na persila

FIKARAKARANA AZY

-  Andrahoina aman-korany ny atody 

- Tetehina ny saosety rehefa voadio dia andrahoina,ary rehefa masaka tsy atao malemy be dia avela hangatsiaka, 

- asiana mayonnaise sy saosy vinaingitra kely miaraka amin'ny menaka, sira sy dipoavatra

- endasina kely ny sakaibe "poivron" tsy atao masaka be koa, asiana sira sy dipoavatra koa araka izay tiana,

- afangaro tsara daholo ny rehetra 

dia mazotoa e 
 

Nahandron'i Fifi Ranaivo

Catégorie: 
Matériels: