Lasary voatabia

771

Lasary voatabia - "rougail"

ZAVATRA ILAINA:

Voatabia

Tongolo be “échalote”

Tongolo mena

Tongolo maintso

Sakamalaho

Sira

Dipoavatra

Menaka oliva

Voasary makirana

Tongolo lay raha tiana
siramamy 1 tsongo

FIKARAKARANA AZY

  • Sasana ary tetehina madinika kely avokoa ny voatabia, ny tongolo isan-karazany.
  • Maka bol mitokana dia asiana ranomboasary makirana sy menaka oliva ary sira sy siramamy
  • Afangaro tsara daholo ny rehetra dia asiana sakamalaho voakiky
  • Azo asiana dipoavatra na sakay ary avela hipetraka kely anaty vata fampangatsiahina vao aroso
  • Matetika dia hohanina amin’ny vary sy laoka

NB: azo totohina amin’ny “robot” fa tsy atao potika be

Mazotoa o 

 

Catégorie: