Lasopy akondro

424

LASOPY AKONDRO

Zavatra ilaina 

hoan'olona 4
Silamangany 1/2kg,
akondro manta 1kg,
oignon 2,
kotomila,
fromage rapé,
lait de coco 1 pot yaourt,
tamotamo,
sakamalaho,
sira

Fikarakarana:

Tanehana halemy ny silamangany, Endasina kely ny oignon voatetika tsy avela ho may fa rehefa manitra tsara dia alefa ny sakamalaho voatoto sy ny tamotamo, rehefa izay dia arotsaka ny akondro notetehina ho efamira kely, aroina hifangaro tsara dia arotsaka anatin'ilay silamangany. Aza adino ny sira a!
Tanehana ao 30mn mba ho masaka ny akondro. 10mn alohan'ny hibatana azy dia arotsaka ny lait de coco.
Rehefa miala eo ambony afo mihintsy vao arotsaka ny kotomila voatetika madinika ary rehefa aroso vao asiana ilay fromage rapé.
Tena tsara be izy ity
 Mazotoa daholo e!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: