Lasopy tongolobe

Portrait de Angie
1134

SOUPE A L'OIGNON - LASOPY TONGOLO 

Miarahaba ny mpanaraka ny Ma.Mi.Na

Matetika rehefa manao lanonam-pianakaviana isika dia vary amin'anana no aroso rehefa hadiva maraina. Ny any Frantsa indray, dia maro ireo fianakaviana mandroso azy ity amin'iny fotoana iny koa!

ILAINA : (raha an'olona roa)
- Dibera kely
- Menaka kely
- Tongolo be tetehana madinika (lehibe iray na roa kelikely)
- Lafarina kely (iray sotrokely)
- Divay fotsy(antsasaka vera)
- Ro ( ana legioma na ana hena izay mety aminao) (2 vera)
- Fromazy voakiky (Tomme no tena fampiasa fa izay hitanao)
- Mofo dipaina notapatapahana dia natono avy eo nokosohana amin'ny tongolo gasy, na mividy vita "croutons à l'ail" na izay tiana

FIKARAKARANA :
- Afanaina miaraka ny dibera sy ny menaka (kelikely avy an)
- Arotsaka ny tongolo voatetika. Aroaroina tsy ankijanona mandram-pahazoana loko tsy may loatra fa tsara tarehy.
- Arotsaka ny lafarina. Aroaroina hatrany ary afo malefaka no ampiasaina.
- Arotsaka indray ny divay fotsy; avy eo ny ro.
- Asiana sira sy dipoavatra
- Tanehina elaela ary saromana ny vilany. 
- Atono "Griller"na ny mofo dipaina voatapatapaka dia kosehina amin'ny tongolo gasy.
- Maka lasitra azo ampidirina lafaoro dia alahatra ao ny mofo voatono (croutons à l'ail ny eto an!) . Avy eo, rarahana fromazy voakiky. 
- Arotsaka ny tongolo nokarakaraina teo aloha. Ampiana mofo sy fromazy indray
- Ampidirina ao anaty lafaoro hivolombolamena ny tapony "gratiner"na izany ilay eo ambony fa tsy hanamasaka intsony akory. Minitra vitsy dia vita

Mazotoa o ! 
Nahandro sy sarin'i Izay Manan-tsira Mahay Mahandro - 14.05.2018

Ingrédients: 
Catégorie: