Lasopy trondro 2

718

LASOPY TRONDRO - soupe au poisson

ZAVATRA ILAINA :

Trondro (izay misy mety daholo )
Sakay be (Poivron rouge)
tongolo, tongologasy, sakamalao kely
"crème fraîche" 1boite
sira izay tiana 
dipoavatra (poivre blanc)
rano 1 zinga
haingony : ravin - tongolo

FIKARAKARANA AZY :

- Endasina ny tongolo, manaraka azy ny voatabia miala hodiny sy ny sakamalao ary ny tongolo gasy
- araraka ny "crème fraîche", arona tsara hifangaro 
-arotsaka ny rano 1zinga ary avela hangotraka tsara
- rehefa mifangaro tsara avokoa ny rehetra, vao arotsaka ny nofon-trondro ( filet de poisson), tanehana 10minitra na 15minitra mba tsy ho potipotika ny trondro, dia farany arotsaka eo ambony ny ravin -tongolo.

Azo hohanina amin'ny vary na mofo fa eto aloha nilaofana tamin'ny vary.

Mazotoa o

nahandron'i Prisca Randriharimalala

NB: hoy Vero Randriam: azo soloina hero-dronono, na ronono nohatevenina tamin'ny "maïzena" na lafarina kely ny "crème fraîche"
 

 

Catégorie: