Legioma saosy

858

LAOKA : LEGUMES SAUTE 

ZAVATRA ILAINA :

Navet 2
sosety 1 lehibe
korzety 2
voatabia 2 kelikely
tongolo gasy
kotomila
ravina tongolo maintso
sakamalaho
sira
dipoavatra
menaka oliva 2 sotro fihinana

FIKARAKARANA AZY

- Hafanaina ny menaka oliva 2 sotro, arotsaka ao ny tongolo gasy voakiky ,, sakamalaho)
- Arotsaka avy eo ny "navets" efa voatetika, avela 3 minitra eo.
- Arotsaka ny sôsety efa voatetika, avela 1 minitra eo.
- Arotsaka ny korzety efa voatetika, avela 1 minitra eo.
- Avy eo asiana voatabia efa voatetika. Tsara kokoa raha afaka koa ny hodin'ny voatabia. Hafangarongaro dia avela eo 3 minitra eo.
- Tsy adino ny sira ary dipoavatra raha tia.
- Asiana rano kely, faribodin'ny vera eo, hafangarongaro ary avela 5 minitra misarona.
- Vonoina ny afo ary arotsaka ao ny kotomila sy ny ravina tongolo maitso efa voatetika.

Mahavita olona 3 na 4 eo.
Afaka hohanina amin'ny vary. Raha manana laoka hena na trondro ritra na voaendy dia afaka aroso miaraka amin'izay koa. Ho an'izay te-hihinana maivamaivana dia azo hatao solom-bary koa io fa izany hoe hatao kelikely sira izy amin'izay. 
Eto amin'ny sary moa dia naroso miaraka amin'ny vary sy kitozan-kisoa be tongolo gasy.

Mazotoa o 

nahandron'i Lova Ramboarisata

 

Catégorie: