Lelakisoa saosy

723

 LAOKA : LELAKISOA SAOSY SY DIPOAVATRA

Zavatra ilaina:

Lelakisoa zay tiana 
Dipoavatra
Tongolo be
Sira 
Menaka 

Fikarakarana azy : 

Natao tao anaty ranomangotra ny lelakisoa avy eo dia diovina sy kikisana ilay hodiny mafy be iny 
Nandrahoko bolongany tamin'ny rano sy sira ka rehefa malemy dia notetehana. 
Maka vilany asiana menaka kely dia endasina ny tongolo be ary arotsaka ny lelakisoa efa voatetika dia asisna dipoavatra kely ary ranony kely. Rehefa mangotraka dia vita.
Naroso niaraka tamin ny vary sy lasary voatabia ary sakay 
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur

 

Catégorie: