Limoncello

988

ZAVA-PISOTRO : " LIMONCELLO " 

Liqueur vita amin'ny voasary makirana, specialité Sorrento/ Napoli (Italie).

ZAVATRA ILAINA :
Hoditra voasary makirana vaventy 6 ( manify tsisy fotsifotsy ).
Ranon-tsiramamy nangotraka tsara ( 1/2 siramamy + 1litatra rano )
Alcool pure 90° ( 1/2 litatra ) na rhum pure

FIKARAKARANA AZY :

- Ilay hodim-boasary manify ( tsy nisy fotsifotsy sy nofony) no alona anaty alcool na rhum, atao difotra mandritra ny 48 ora.

- Vita ny 48 ora dia ariana ilay hodiny fa ilay ranony fotsiny no ilaina atambatra amin'ilay ranon-tsiramamy dia vita.

- Atao anaty vata fampangatsiahana; izay vao azo aroso amin'ny vera kely ho an' ny vahiny na handevonan- kanina.

 

Fanamarihana:
Azo alona mialoha na 2 herinandro aza ilay hoditra voasary makirana tao anaty alcool ary azo atao amin'ny toerana maizina tsy misy hazavana. Ao anaty "armoire" ohatra. Tantavanina avy eo ary afangaro amin'ny ranon-tsiramamy efa mangatsiaka. Atao anaty tavoahangy dia vita.

Raha atao "crème de limoncel" indray dia soloina ronono sy crème liquide ary siramamy no afangaro dia ampiarahana amin'ilay toaka sy voasary makirana efa nalona 2 herinandro io (fa tsy ranon-tsiramamy).

Mazotoa o !

nokarakarain'i Tiana Parlato

Catégorie: