Macaron

Portrait de Angie
1161

Miarahaba am-pifaliana hatrany 

MACARON – (GANACHE FRAMBOISE)

ZAVATRA ILAINA :
"Sucre glace" 75g
vovoka amande 75g
tapotsin'atody 2
sira 1tsongo
siramamy izay tiana
Ganache : tsy atao betsaka moa izy ity fa atao karazana lakaoly hanambarana ny macaron roa
Coulis de framboise
gelatine
dibera kely
 

FIKARAKARANA AZY

- Afanaina ny lafaoro 150°C ary homanina mialoha ny lasitra na "plaque": rakofana "papier sulfurisé".

- Afangaro ny "sucre glace" sy "poudre d’amande" dia tatavanina avy eo ary atokana.
- kapohana hisavovona handroatra fotsy ny tapotsiny sy sira ary siramamy kely.
- Arotsaka tsikelikely ao anatin’io tapotsiny io ilay fangaro “poudre d’amande” sy "sucre glace" etsy ambony dia afangaro tsara.

- Manao toko eran'ny sotrokely na atao amin'ny "poche à douille" ambonin'ilay "plaque". 
- Ampidirina lafaoro 10 - 12minitra eo miankina amin’ny hafanan’ny lafaoro sy ny karazany ka mila jerijerena matetika.
- Endahana amin'ny "papier" ka avela hangatsiaka.

- Nampiarahana tamin’ny ganache framboise moa: nafanaina ny “coulis de framboise” sy gelatine ary dibera ka rehefa nangatsiaka dia navela tao anaty frigo

- Maka macaron dia asiana ilay “ganache” dia atambatra tsiroaroa amin'io ny " macaron" dia vita.

Mazotoa

Nahandron’i Dina Ramangatsihoarana 16 .04.2017

Catégorie: