Madeleines 4

895

MADELEINES (façon gâteau moelleux) 

ZAVATRA ILAINA

lafarina 175g 
atody 4 (3 kelikely ny ahy)
siramamy 110g
menaka 100ml eo ho eo
yaourt 1 + rano 5sotro fihinanana (socolait ny ahy)
tsongon-tsira

FIKARAKARANA AZY:

- Sarahana ny tapotsiny sy ny tamenany ary kapohana hisavovona handroatra fotsy ny tapotsiny nasiana tsongon-tsira.
- Arotsaka tsirairay ao avy eo ny tamenany sady tohizana kapohana ihany ny fangaro.
- Arotsaka tsikelikely ny siramamy dia kapohana hatrany mandra-pahalevony.
- Arotsaka moramora (en filet) ny menaka (toy ny hanao mayonnaise)
- arotsaka tsikelikely ny lafarina dia aroina mora amin'ny "fouet" na "spatule"
- afangaro ny yaourt sy rano dia arotsaka ao amin'ny paty, aroina
- Farany, atao anaty lasitra efa voaomana ny paty dia atao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 200°C, jerijerena mandra-pahazo lokombolamena. Tsy sokatsokafana ny lafaoro mandritr'izay.
Mazotoa o !

nahandron'i Noumie Maya 

 

Catégorie: