Magret de canard farci

964

MAGRET DE CANARD FARCI – NOFOTRATRAN-GANAGANA VOASESIKA
 

Eto dia voasesika “foie gras” sy “truffe”
fa azo soloina izay misy ny sesika toy ny atiny sy olatra: "champignon".

ZAVATRA ILAINA

magret de canard 2
foie gras izay ampy
truffe 10g eo
Dipoavatra
baie de rose
Tsy misy sira eto fa azo asiana raha tiana

Ampiana voankazo : kiwi sy paoma ary vary rehefa mandroso azy

FIKARAKARANA AZY: 

Avoaka avy ao anaty vata fampangatsiahana mialoha  ny hikarakarana azy ny “foie gras” sy “magret” avela hipetraka 15minitra.
Velarina ny “magret” ilay misy hoditry ny ganagana no ambany
Rarahana dipoavatra sy “baie de rose” ny “foie gras”
Alaina ny “magret” dia asiana “foie” sy “truffe” voatetika manify eo amboniny
Avy eo apetraka alaina indray ny “magret” dia apetraka eo amboniny dia fatorana amin’ny tady fampiasa ao andakozia ka ilay misy hodiny ihany koa no atao ivelany.
Rarahana dipoavatra kely indray dia endasina ao anaty lapoaly mba ho menamena tsara avy eo dia ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha amin’ny hafanana 200° mandritry ny 40 minitra,
Fonosina ao anaty “papier alu” mandritry ny 15 minitra. Avy eo izay vao didina, tokony ho mavokely ny lokony eto "rosé" (azo atao toy io daholo ny “rôti” rehetra) .
Naroso miaraka amin’ny vary ary kiwis sy paoma natono kely tao anaty lapoaly

Am-pitiavana foana 
 

Nahandron’i Niry Rafi 

Catégorie: