Makamba frity 1

865

Makamba mifono paty  - "Crevettes de Mada enrobées de brick" 

ZAVATRA ILAINA:
Makamba
paty famonosana nem : "feuille de brick" 
ron-dasopy kely
menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY :
Manao ron-dasopy kely amin'ny legioma izay misy : eto dia poarao, "céleri", karotin-tsoavaly na hoe "fénouil", sira ary dipoavatra. 
Ampagotrahana 5 minitra ao anatin'io ron-dasopy io ny makamba. 
Esorina ny lohany sy hodiny 
Fonosina ilay paty na hoe " feuille de brick"
Endasina.
Rehefa masaka dia atsika tsara ambony taratasy na "papier absorbant" na "sopalin" ny menaka. 
Mazotoa o

Nahandron'i Niry Rafi

 

Catégorie: