Mananasy anaty lafaoro

1119

ANANAS ROTI A LA CANNELLE!  (Specialité brésilien)

 Fanaon'ny brezilianina izy ity rehefa manao hena atono ry zareo!

ZAVATRA ILAINA :

- Mananasy voasana tsara dia esorina araka izay tratra ireo masony be dia be. Mananasy “pain de sucre” no nampiasaina teo. (Sary 1)
- Siramamy indroa ny sotrokely
- "Cannelle" indroa ny sotrokely

FIKARAKARANA AZY :

- Afangaro tsara ny siramamy sy ny "cannelle". (Sary 2)
- Hosorana ny faritra rehetra an'ilay mananasy ny siramamy sy "cannelle" nafangaro. (Sary 3)
NA :
- Hatao anaty lafaoro efa nafanaina 180° mandritra ny 20 minitra eo no ho eo raha tiana ho bebe ranony fa azo tohizana hatramin'ny 30 minitra. Tokony hahazo "caramel" manodidina ilay mananasy. Natao 30 minitra io amin'ny sary io. Ahodikodina matetika.
NA :
- Hatao eo ambony afo tahaka ny manatono hena dia ahodikodina foana tsy ankijanona mandram-paha afa-po amin'ny hamasahany.
- Rehefa vita dia tetehina ho boribory manaraka ny halavany amin'izay. (Sary 4)
- Azo hohanina miaraka amin’ny hena atono na hatao tsindrin-tsakafo ihany koa. Raha ity farany ity dia vao maika tsara raha miaraka amin'ny gilasy kely. Eto "crème fraîche" no natao taminy

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin’i Joelle Phiippe 23.01.18

Catégorie: