Mananasy sy tamberina

615

TSINDRIN -TSAKAFO : MANANASY sy TAMBERINA - ANANAS AU CARAMEL 

Zavatra ilaina :

Mananasy voatetika
Tamberina (ilaina ho an'olona 2) ( fatra anjoanjo ity fa azonao ampiana na hanalana) 
siramamy 4 sotro
dibera 25g
crème liquide 3sotro fihinanana

Fikarakarana ny « tamberina (caramel )» :
- atsonika ny siramamy 4 sotro ( tsy ampiana rano tsy kitikitiana ) dia rehefa lasa « tamberina »
- arotsaka ny dibera voatetika, aroina haingana dia rehefa mifangaro tsara dia vonoina ny afo
- dia arotsaka ny « crème liquide » dia afangaro tsara dia vita ny tamberina.

Araraka ambony mananasy voatetika .
Azo asiana lavanila ihany koa ilay tamberina dia azo ampiarahana « boule de glace à la vanille » ohatra.
Mazotoa o

Nahandron'i Bao Rakoto

 

Catégorie: