Mangahazo sy lard fumé

999

SAKAFO FENO: MANGAHAZO SY LARD FUME' - MANIOC AU LARD FUME'

ZAVATRA ILAINA

Mangahazo
menaka oliva
pancetta na lard fumé
tongolo gasy
kotomila
sira
dipoavatra raha tiana
 

FIKARAKARANA AZY

Voasana ny mangahazo dia sasana ary tetehana lehibebe  dia andrahoina amin’ny rano misy sira.
Mandritra izany eo ambony afo malefaka endasina amin’ny  menaka oliva ny tongolo gasy rehefa azo tsara ny fofona dia esorina ary arotsaka ny lard fumé dia avela ho mendimendy tsara eo asiana dipoavatra.  Rehefa masaka dia vonoina ny afo ary rarahana kotomila voatetika madinika.
Rehefa masaka ny mangahazo dia tatavanina ary apetraka ambony vilia dia rarahana ilay menaka misy lard fumé sy kotomila dia aroso mafana 

Mazotoa o

 

Catégorie: