Mangahazo sy thon

1005

TSAKITSAKY NA ODY AM-BAVA FO : CROQUETTE DE MANIOC AU THON - MANGAHAZO SY TRONDRO (THON)

ZAVATRA ILAINA

Mangahazo 2 lehibebe
Thon (amin’ny boaty ) na izay trondro misy
Kotomila
atody 1
lafarina 2 sotro
menaka fanendasana
sira
dipoavatra
 

FIKARAKARANA AZY

- Voasana ny mangahazo dia sasana ary kikisana madinika amin’ny fikikisana karoty, somary fihazana amin’ny tanana mba hiala ny ranony
- arotsaka ny atody dia volavolaina tsara hifangaro
- arotsaka ny thon (esorina ny menaka ao anaty boaty)
- arotsaka ny lafarina ka jerena raha maina loatra na malemy loatra dia ampiana kely
-maka vilany kely dia asiana menaka bebe , rehefa mafana dia arotsaka ny “croquette” ka raisina amin’ny sotro dia atao izay bika tiana na lavalava na boribory  fa atao kelikely ho masaka tsara ny ao anatiny, tsy atao be am-bilany rehefa manendy azy fa manjary mampidina ny hafanan’ny menaka.
- apetraka ambony taratasy na “sopalin” rehefa masaka mba hitsika tsara ny menaka
Azo aroso mafana na mangatsiaka fa tsara foana 

Mazotoa o 

 

Catégorie: