Mayonnaise tsy misy atody

827

FAUX MAYONNAISE 

ZAVATRA ILAINA

ronono1/2 vera ( na ronono soja, na vovo-dronono) 50ml
menaka 1 vera (soja na oliva na mais...) 100ml
vinaigitra1 sotro fihinanana na ranomboasary makirana 1 sotro fihinana;
sira
dipoavatra kely,

 

FIKARAKARANA AZY:

Maka baolina tery nefa avo ny hahavony
Atao ao avy hatrany ny ronono , menaka, sira, ranomboasary makirana
Ahodina ny "robot plongeur" ary ajanona rehefa mahazo lakirema matevina
Rehefa vita dia afindra anaty bol dia saromana ary atao anaty vata fampangatsiahana 30 minitra aloha vao aroso satria mbola miha matevina izy rehefa mipetraka. 

 

FANAMARIHANA: 

Afaka asiana: 
moutarde kely,
fromage fondu kely,
voatabia efa marihitra (concentré na  ketchup)
siramamy kely: raha tiana hanome tsiro mamimamy )
betiravy efa masaka dia tetehina ary miaraka totohina 
zava-maintso :tongolo maintso. basilika, kotomila sns voatetika madinika

Eto izy nasiana Ketcup

Mazotoa o 

Nahandron' i Vololontseheno Hery Fanomezantsoa
 

Catégorie: