Mer et terre aux poivrons

Portrait de Angie
1075

Miarahaba antsika rehetra ato ary ô

 

LAOKA : MER TERRE AUX POIVRONS - DRATRAKA MAKAMBA SAOSISY ARY SAKAIBE 

ZAVATRA ILAINA: fatra izay tiana 
dratraka -crabe
makamba - crevette
calmar
saosisy "fumé"
"chorizo fraiche"  karazana saosisy ihany koa
tongolo be 
sakaibe mena, maintso, mavo (poivrons)
curry
dipoavatra
kotomila sy tongolo maintso (raha tia)
izay hanitra tinao 

FIKARAKARANA AZY

- rehefa voadio sy voakarakara ny dratraka sy ny calmar ary ny makamba dia atokany aloha
- diovina sy tetehina ny sakaibe sy ny tongolo be dia somary hendakendasina kely amin'ny menaka, tsy atao be menaka akory, rehefa mendimendy dia asiana rano mandakotra azy dia avela ho masaka malemy be eo, lasa toy ny saosy
- rehefa mivadika lasa saosy ny sakaibe sy ny tongolo be dia asina curry, dipoavatra sy zay hanitra tinao avy eo arotsaka nysaosisy "fumé" sy ny "chorizo fraiche" avela hiketrika 10 minitra dia avoaka kely aloha ireo dia tetehana somary misopirana mba hanome endrika azy, 
- rehefa nesorina ny saucisse sy ny chorizo dia asiana rano kely ilay saosy dia arotsaka ny crabes, crevette ary ny calmar, tsy mila andrahona ela be  fa 10 na 15 minitra eo ihany koa, dia averina arotsaka ny sosisy "fumé" "chorizo fraiche" efa vita tetika, raha hita hoe ritra be fa tiana hisy saosy kely dia ampiana rano , 5 minitra dia vita
- rehefa masaka ka hisakafo amin'zay dia raraho kotomila sy tongolo maintso efa voatetika madinika

mazotoa ary ho an'izay makafy e, tsy voatery hiandry fety an, raha misy manao fampiharana dia mba alaivo sary dia ataovy eo amin'ny commentaire na zarao ao amin'ny vondrona Mamina fb , raha misy fanovana kely koa dia tatarao eo 

Nahandro sy sarin'i Rasoa Tia Mahandro 20.11.2017

 

Catégorie: