Mille feuille au jambon

510

Mille feuille au jambon

Zavatra ilaina: 

Tranche de jambon maromaro
Fromage 1càc 
moutarde 1càc 
jus de citron 
Tongolo maitso,
kotomila 50g 
raisins sec 
Tomato,
salade Sauce: Creme matevina Ketchup Jus de citron 

Fikarakarana: 
Tetehana madinidinika ny jambon sasany,atao anaty mixeur avy eo dia arotsaka miaraka amin’ny fromage, moutarde, jus de citron, tongolo maitso, kotomila.Miaraka totoina ireo halemy sady hifangaro tsara. 
Rehefa izay dia arotsaka ny raisin secs efa avy nilomana kely tamin’ny rano, afangaro tsara.
Velarina ny "papier alu" dia apetraka aloha ny tranche de jambon ka osorana ilay farce azo tamin’ilay no mixer- na.Tohizana toy izany hatrany ka ny farany dia tranche de jambon ary ahorina ilay papier ,ampidirina frigo fotoana elaela. 
Karakaraina indray ny saosy ka miaraka totoina amina'ny "mxeur" ireo zavatra ilaina natokana ho @ zany. 
Farany rehefa androso ilay "Mille feuille" dia apetraka eo ambony lovia nasiana salady ary rarahahana ilay saosy.
Haingoina voatabia ny sisiny.
Mazotoa

Nahandron'i Mia Rivoarilala

 

Catégorie: