Minestra napolitana

852

SAKAFO MAHALEO TENA : MINESTRA NAPOLITANA (lasopy anana tsotra avy any Naples)

ZAVATRA ILAINA:
- 5 Kg anana "minestra" izay karazana anana misy ao Naples ihany fa tsy misy eraky Italie akory: azo soloina anana izay misy anefa aty ohatra ireto: epinara, anantsonga, rambirebaka, sns 
- Akoho matavy ilay mavo ny hodiny ka 1 lehibe na farafahakeliny 3/4 kg
- 150 g. formazy "pecorino romano"
- sira

FIKARAKARANA AZY: 
Manao "brodo di pollo" na hoe ron'akoho: atao anaty rano mangatsiaka misy sira mandritry ny ora 1 aloha ny akoho hanalana ny rà tavela aminy, mazava ho azy fa mila esorina ny atiny rehetra fa avela ao kosa ny tendany sy lohany ary tongony raha tiana.
Maka vilany be dia asiana rano 3 litatra eo dia arotsaka ao ny akoho efa voasasa tsara ary andrahoina elabe sady saromana mba tsy hivoaka loatra ny entona, ny anay ora 3 eo.
Mandritra izany dia sasana tsara ny anana "minestra", dia arotsaka anaty rano mangotraka efa misy sira fa tsy atao masaka be satria mbola ho andrahoina avy eo. Avela hitsika tsara ny ranony dia atokana
Rehefa vita ny ron'akoho dia esorina ilay henan'akoho dia atokana. 
Arotsaka ao anaty ron'akoho kosa ilay anana efa natsika tsara dia avela ho masaka eo mandritry ny ora 1 indray. Rehefa tapitra izay dia asiana ny fromazy "pecorino romano" voatetika na voakiky araka izay tiana ka rehefa mitsonika io dia vita ny "minestra napolitana"

Ny an'ny napolitana ilay akoho iny avy eo azo atao anaty lafaoro asiana dibera dia avela ho maimay ao dia hohanina amin'izao fa ny ahy ohaniko miaraka amin'ilay lasopy mihitsy no hitiavako azy.

Mazotoa o

 

Catégorie: