Mini quiche au pain de mie

803

SAKAFO MAHALEO TENA : "Fleurs de pain de mie garnies" na "mini quiches au pain de mie" 

Zavatra ilaina :

atody,
pain de mie,
crème liquide,
fromage rapé
thon 

Fikarakarana azy:

Fisahana ny "pain de mie" 
Maka lovia jobo dia kapohana miaraka ny atody sy "crème liquide", avy eo arotsaka ny thon ary ny fromazy voakiky fa azo tsy akambana ao fa ohatra hoe araraka eo amboniny fotsiny alohan’ny ampidirana azy anaty lafaoro.
Hosorana dibera ny lasitra dia apetraka ny "pain de mie".
Farany araraka ao anatin’ny "pain de mie" ilay fangaro eo ambony.

Fahandro azy:

Atao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180° mandritra ny 20minitra.

 Mazotoa o 

Nahandron'i Dina Ramangatsihoarana

 

Catégorie: