Misao 2

620

MINE SAO TSOTRA 

ZAVATRA ILAINA :
paty 
karaoty
tongolo
"haricot vert"
nofon-kisoa
"sauce huitre", tantely, sira, "5 épices"
menaka oliva (na menaka mahazatra)
"sauce soja" (tsy voatery)

FIKARAKARANA : 

- lomana "sauce huitre" + tantely + sira + 5épices + menaka oliva kely ny nofon-kisoa
- Ampangotrahana ny rano nasiana sira, dia masahana ao ny paty, tsihifina.

- Sasana sy voasana ary tetehana lavalava ny karaoty sy haricot vert ary ny tongolo dia endandasina amin'ny menaka. Aza adinoina ny sira.

- Rehefa akaiky ho mendy masaka ny legioma dia somary hampakàna sisiny kely ao anaty lapoaly ihany, dia arotsaka eo afovoany ny hena.

- Rehefa mendimendy ny hena dia aroina hifangaro amin'izay izy rehetra.
- Arotsaka koa ny paty, dia afangaro. Vita.

Fanamarihana : Afaka manampy "sauce soja" kely rehefa hihinana sy tia ilay loko "marron" tsara iny. Tandremo fa efa masira ny "sauce soja" ka mila ahena ny sira raha hampiasa azy.

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

Catégorie: