Mofo algues

178

 

MOFO ALGUES : gouter hafakely : algues frites
tena mora kely toy ny manao mofo anana ihany fa algues eto no ampiasaina

ZAVATRA ILAINA

algues na anana raha tsy misy 
Lafarina
labierre na rano , 
sira , 
ny sakasy sy ny lalovay na hoe "levure" dia azo asiana raha tiana, 
menaka fanendasana.

FIKARAKARANA AZY:

sasana tsara ny algues, 
afangaro ny lafarina sy rano na labiera , asiana sira kely , tsy atao marihitra loatra no tsy matsora loatra koa.
ny ahy ity ny algues no tena tiana hohahina fa tsy ny beignet an, noho izany dia atao amin'ny tanana fa tsy alaina amin'ny louche satria manaraka daholo ny pate.
hafanaina ny menaka betsakaamin'ny afo malefaka
alaina ny ravina algues iray araka izay habeany tiana dia atsoboka ao anatin'ilay pâte. Somary fihazana moramora mba tsy hitete be loatra dia atao anaty menaka, rehefa menamena dia vita. Mikarepoka tsara izy amin'io ary tena heno ny tsiron'ilay algues
Raha te hihinana ilay mofo kosa dia raisina amin'ny louche dia arotsaka toy ny manao mofo anana ihany
matsiro be an , 
mazotoa o

Catégorie: 
Matériels: