Mofo anana

Portrait de Angie
357

MOFO ANANA

Zavatra ilaina:

rano 100ml, lafarina 80g , kobam-bary 1 sotro fihinanana, lalovay antsasaky ny fonosana ( levure chimique), dipoavatra, sira, anana, voatabia, tongolo maintso, sakamalaho ary tongolo gasy, menaka

Fikarakarana azy 
Maka bol dia arakara ao ny lafarina, kobam-bary, ny lalovay, dipoavatra ny sira. 
Afangaroy ireo, dia avela hilona kely mandram-pikarakara ny legioma, tokony mahazo laro marihitra be.
Teteho ny anana izay tiana, teteho koa ny voatabia sy tongolo maitso, totoy kosa ny sakamalaho sy ny tongolo gasy.
Afangaroy daholo ny rehetra.
Hafanao ny menaka mandifotra azy dia endaso. 
Izavy vita dia apetrao amin'ny "emballage" na "essuit tout", mba hitsika ny menaka.

Mazotoa indray ary o 
Nahandron'i Bonbon Mamibe

 

Catégorie: 
Matériels: