Mofo anana 1

697

MOFO ANANA

Zavatra ilaina:

-lafarinina 5 sotro misavovona
-sira 5 tsongo
-lalovay kely
-rano
-anandrano
-voatabia

Fikarakarana azy:

Natambatra ny lafarinina, sira, lalovay, rano. Arohina tsara mba hahazo "pâte" malefaka. 
Navelako hipetraka 30 minitra.
Avy eo tetehana ny anandrano sy voatabia dia arotsaka ao. 
Afaka ampiana sakay raha mahazaka Hafanaina tsara ny menaka dia endasina.
Avela hitsika tsara ny menaka rehefa manala azy ao anaty lapoaly.
Apetraka ambony taratasy na "sopalin"
Lasary karaoty no nampiarahako ninanako azy!

mazotoa o

Nahandron'i Iangola Ny Aiko

 

Catégorie: