Mofo anana 2

713

MOFO ANANA 

zavatra ilaina:
Kobam-barimbazaha 250g,
rano 625 ml,
lalovay simika 1,5 sotrokely,
atody 1,
sira,
anana voasasa sy voatetika (mazàna, anandrano fa mety kokoa ny roquette antitra be ohatra),
voatabia 3 voatetika antonony mba TSY ho masaka be rehefa ohanina,
menaka anendasana.

Fikarakarana azy:

Afangaro anaty tsatokaty ny kobam-barimbazaha, ny sira sy ny lalovay.
Arotsaka ny atody tsy voakapoka. Afangaro ireo dia arotsaka tsikelikely ny rano 500ml sady afangaro tsara tsy hisy tambongana.
Vita izay, arotsaka ny anana voatetika. Aroina tsara. Apetraka 30 minitra na adiny iray.
Afanaina anaty saba na wok ny menaka misimisy hanaovana "bain d'huile".
Omanina ny vý masikita lava roa, ny "écumoire" angalana ireny potiny mora may ireny.
Efa velarina anaty "égouttoir" koa ny "papier absorbant" ("emballage" koa mety).
Farany, arotsaka ny voatabia. Aroina.
Rehefa mafana tsara ny menaka, raisina amin'ny sotro fihinanana ny pâty ary arotsaka anaty menaka. Vetivety dia mendy izy.
Ity amin'ny sary, somary mbola matevina ny mofo. Nampiako rano 125ml teo satria somary manify ary mikarepoka no itiavanay azy. Afangaro indray.
Avy eo, arotsaka tsikelikely amin'ny sotro ho mofo 4-5 isaky ny mandrotsaka no mendy.
Tsindromina tsirairay amin'ny vý masikita ny mofo rehefa mendy. Atsivalana ambonin'ny saba ny vý mba ilatsahan'ny menaka anaty vilany ihany (eto amin'ny sary, natsivalako tambony égouttoir, zesta hoan'ny sary io!!!).
Alefa ao anaty "égouttoir" voarakotra taratasy ny atiny mba ialan'ny menaka.
Mazotoa homana Tompoko!

Nahandron'i Noro-Liva Rakotondrasamba

NB: hoy i Vero Randriam : fika kely :
1) sarahana ny tapotsin'atody sy tamenany, dia ilay tapotsiny kapohana mitokana ary efa hanendy vao arotsaka amin'izay tsy mifoka menaka be  ...
2) rehefa mandrotsaka ny paty dia somary akorisa amin'ny sisin'ny saba dia mahazo ilay fisaka mikarepoka (ny ahy koa iny no tiako)

Catégorie: