Mofo baolina

150

MOFO BAOLINA REVISITE !

Tsy zava-baovao f'efa be mpanao
Fa fotsiny ny ahy novàko kely!
Ny recette-ny efa ao @ fichier ao...
Ka jereo ry madama sy madimozely!

Kapohy tsara ny atody anankiroa
miaraka @ siramamy 100 grammes
rehefa lasa fotsy tsara izy roa
arotsahy @zay ny graines de sésame!

Alefaso ao koa 250 g de farine
miampy 1 sotrokely levure chimique,
Asio menaka 1 sotro koa fa tsy maninona
ary tapaka pot yaourt, mba tsy hampihiaka!

dia afangaroy tsara @ izay izy rehetra
Asio vanille na hodim-boasary voakiky,
Izay ahamanitra azy tsinona dia tsy voafetra,
Mba ahafinaritra na tsy mijery fa mikimpy!

dia avelao hilona fotoana vitsivitsy monja!
Ka hafanao ny menaka ary endaso @ zay!
Ny fivoakany avy eo lazaiko anao? Mafonja!
Mety tena ho lafo be raha hamidy @ magazay!

Eny ary fa mazotoa homana!
Ataovy voky daholo ny ankohonana

 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO 

 

 

Catégorie: