Mofo baolina surprise

1039

Miarahaba indray ny mpanaraka ny Mamina

zaraina am-pifaliana ity fa tena tian'ny ankizy, mora atao fa indrindra ny surprise

GOUTER na SAKAFO MARAINA:  MOFO BAOLINA SURPRISE

ZAVATRA ILAINA

Lafarina 500g
Siramamy 10 sotro fihinanana na izay tiana
atody 5
dibera efa miempo10 sotro fihinanana 
lalovay 1/2 fonosana
Sokolà :noir, blanc na izay tiana

FIKARAKARANA AZY

Kapohana miaraka ny atody sy siramamy rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny dibera miempo (natao " bain marie": atao ao anaty vilany misy rano mangatsiaka ny lasitra misy ny dibera dia avela hiempo. )
Rehefa vita izay dia arotsaka ny lafarina sy lalovay ary tsy atao malemy be na mafy be fa atao antonony ny rihatra.
Asiana menaka ny tanana dia raisina ny paty ary somary fisahana amin'ny tanana dia fonosona ao ny sokolà iray na "noir" na "blanc"-"chocolat en morceau"  dia fonosina tsara
Hafanaina ny menaka mandifotra azy dia endasina , fa tsy atao mamay be ny menaka ary atao afo malefaka ihany koa
Avela hitsika tsara ny menaka 
Aroso, akitsapa moa izy ity raha tsy lazaina hoe inona no sokolà ao anatiny 

Mazotoa ary o 

Nahandron'i Brandy Abigaëlla Morganem

Ingrédients: 
Catégorie: