Mofo dipaina

790

MOFO DIPAINA

ZAVATRA ILAINA : 
lafarina 500g
sira 1sotro kely
levure boulangère 1 fonosana( 5,5g ny ahy io) * * * (11g atao)
siramamy 1/4 sotrokely
rano mafana 250 ml
menak'oliva 1sotro fihinanana

FIKARAKARANA AZY :

- Afangaro ny lalovay sy ny rano ary ny siramamy kely
- Atao anaty bol ny lafarina sy sira, afangaro, ary alefa tsikelikely ao ilay rano nisy lalovay teo, sady volavolaina tsara mihitsy ny paty 10 minitra eo. Tokony mahazo paty tsy miraikitra isika ( raha maina loatra dia ampiana rano kely , raha miraikitra kosa dia ampiana lafarina)
- Arotsaka ny menak'oliva, dia tohizana volavolaina tsara ihany ary omena endrika boribory iray amin'ny farany
- Atao anaty bol, somary hanetezana ny fanambonin'ny paty (asiana lakroa) dia saromana lamba mando, avela hilona ao mandritra ny ora 1 amin'ny toerana mafana.
- Vita izay, dia averina volavolaina tsara indray mba hialan'ny etona (gaz) dia zaraina araka izay habeny tianao, afaka omena endrika lavalava na boribory sy ny sisa

- atao eo ambony lasitra, elanelanina tsara (ny ahy avy hatrany dia nasiako dian'antsy teto) 
- afanaina ny lafaoro dia pihana ary alefa ao ny lasitra misy ny mofo dia avela hilona eo indray 30 minitra (mitombo indray ny paty eto ; afaka eto koa ianao vao manisy dian'antsy aorian'ilay 30 minitra)

- arehatra amin'izay ny lafaoro, asiana rano amin'ny plat mahazaka mamay ao ambany mba hanenika ny mofo homasahana ny enton-drano ka 220°C mandritry ny 30minitra (manalefaka ny mofo io enton-drano io). Afaka Ampiana kely ny fe-potoana raha tiana hahazo loko kokoa ny mofo.

Vonona ny mofo, mafimafy ny ivelany, feno tsara ny atiny ary malefaka eo am-pandidiana

Fanamarihana : aleo atao "levure boulangère" ilay fonosana 11g ho an'izay hanao fampiharana, amin'izay mitombo tsara kokoa (ny teo amin'ny fonon'io ahy io mantsy hoe ho an'ny lafarina 250g hatramin'ny 500g, nety fa tsy tena hoe nitombo be)

Nofonosina harona "sachet" dia mbola ao tsara izao maraina.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam
 

Catégorie: