Mofo dipaina endasina

680

Miarahaba,

Matetika no tsy lany ny mofo ao an-trano dia nitadiavana hevitra, mba miala kely amin'ny "pudding" 

MOFO DIPAINA ENDASINA

Zavatra ilaina : 
mofo nialonandro 1 lehibe (2 raha mofo eto an-toerana)
atody 2
siramamy 6sotro
maizena na lafarina 1sotro
ronono 100ml
dibera na menaka hanendasana

Fikarakarana azy :
- Lomana rano ny mofo dia tsihifina tsara (na ronono raha tiana)
- afangaro amin'ny atody, siramamy, maizena na lafarina ary ronono 
- asiana dibera na menaka kely ny lapoaly (1sotrokely na 1sotro isaky ny hanendy fara-fahabetsany), atsitokotoko ny paty, rehefa mivolom-bolamena dia avadika. Andrasana kely dia vita.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: