Mofo fitiavana

570

MOFO FITIAVANA 

ZAVATRA ILAINA 

- Pate brisée 1  (afaka manamboatra ery ambany ny recette)
- "Confiture" izay tiana eto dia mananasy sy paiso.
- atody 1 
- "graine de sésame" na siramamy mena

FIKARAKARANA AZY:

- Hafanaina ny lafaoro 180° - 15 min eo 
- Velarina ny paty dia ka maka "emporte pièce" fo, dia atao ny sary fo, raha tsy manana dia maka boritra dia atao sary fo ary apetraka ambony pate dia didina amin'ny lohan'antsy. 
- Apetraka ambony "plaque four" ny fo kely dia asiana kaonfitiora ary saromana pate fo kely iray indray. 
- Tsindrina tsara amin'ny tanana ny sisiny dia tsindriana amin'ny sotro rovitra avy eo. 
- Kapohana ny atody ary lalorina ny mofo fitiavana
- Rarahana siramamy mena na "graine de sésame"
- Ampidirina lafaoro 12- 15 minitra araka ny lafaoro 

Raha hanamboatra pate brisée na "frolla" hoy ny italien dia toy izao : 

Zavatra ilaina:

250g lafarina,
125g dibera malemy,
sira 1 tsongo,
atody 1
siramamy kely 

Fikarakarana azy

atao anaty bol ny lafarina, arotsaka ny dibera efa malemy sy sira ary siramamy dia akambana amin'ny ratsan-tanana atao mifangaro tsara ka mahazo ohatran'ny fasika ianao dia arotsaka ny atody dia volavolaina hahazo boule ary avela hipetraka 30min na 1h eo, fa misy kosa anefa tonga dia mampiasa azy avy hatrany.
Rehefa zay dia fisahana avy eo dia tohizana ny recette. 

Mazotoa o 

 

Catégorie: