Mofo jamaika

712

Miarahaba anareo e! zaraina am - pifaliana indray ô!

MOFO AKONDRO na JAMAIKA na PALISSANDRE na VERNIS , 

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 250g
Dibera 50g
Lalovay simika ½ sotrokely
Sira ½ sotrokely
Siramamy ½ sotro
Rano matimaty kely
Atody 1
Akondro
Menaka

FIKARAKARANA AZY :

- Atao anaty bol ny rano matimaty kely efa nasiana lalovay dia afangaro tsara, avy eo ny siramamy, sira, menaka, atody, afangaro ihany koa ireo ho levona
- arotsaka tsikelikely amin'izay ny lafarina ary afangaro amin’ny tanana mandra -pahazo paty malama sy malefaka tsara
- avela hilona 2ora raha maika, fa afaka atao 1 andro mihitsy mba hahatsara ny paty, atao anaty bol dia saromana lamba.
- Rehefa izay, dia maka paty kely dia velarina amin’ny « rouleau à pâtisserie », aza adinoina ny manisy lafarina kely tsy hampiraikitra azy, asiana silaka akondro( jereo ny sary) ao anatiny dia fonosina tsara ary tsindrina amin’ny sotro rovitra no manidy azy.
- Atao ohatran’izay daholo mandrapaha tapitry ny paty. Endasina amin’izay dia vita.
- Raha tianao dia afaka ampandalovina tantely na ranon-tsiramamy izy rehefa voahendy.

Mafilotra no tsy mahamonamonaina ary mba miala amin’ny mahazatra koa eee! Sady tsy mandany menaka.

Mazotoa o !

nahandron'i Najasoa Harimalala

 

Catégorie: