Mofo je t'aime

476

Mofo je t'aime na Mofo mangahazo hafakely 

Zavatra ilaina: 

mangahazo singany 5
voanjo 1 kapoaka,
siramamy 1/4 kg..

Fikarakarana azy

- teteho lavalava ny mangahazo dia andrahoy, tsy atao malemy be fa rehefa miparasaka dia efa mety.
- endaso aman-kodiny ny voanjo avy eo dia voasana ary totoina.
- ny mangahazo koa totoina rehefa masaka( na laona na fitotokena) fa amin'ny fitotokena izy malemy tsara. Ary tonga dia asina siramamy mahamamy azy tsara.
- ataovy eo ambony latabatra madio ny mangahazo efa voatoto ary fisaho amin'ny tavoahangy.
- ararao eo amboniny ilay voanjo voatoto dia ahorina toy ny tsihy
- tetehina amin izay araka ny habeany tiana 

Mazotoa o 

Nb: Afaka asina vanille ny mangahazo rehefa andrahoina..
Nahandron'i Hasina Razanadrakoto

 

Catégorie: