Mofo mamy latera

481

MOFO MAMY LATERA

ZAVATRA ILAINA:
Yaourt na tsotra na parfumé mety daholo:2 pots
Siramamy 1 pot d'yaourt
Lalovay simika 1càc
karibonetra 1càc
Lafarina 3 pots d'yaourt.
Menaka izay misy 2 càs
Atody lehibebe 2

 

FIKARAKARANA AZY 

-Afangaro mitokana ny karibonetra sy ny yaourt
- Kapohana ny siramamy sy ny atody 
- Afangaro ny lafarina sy ny lalovay sady tatavanina hiala ny mitabaingana
- Rehefa voakapoka tsara ny siramamy sy ny atody dia arotsaka daholo ny lafarina sy ny yaourt eo ambony ireo.
- Afangaro moramora amin'ny sotro hazo dia vita.
- Raha somary maina be dia azo asiana ronono velona na rano dia arorona toy ny manao pâte na crêpe,tsy atao mandranoka be anefa. 
- Maka lapoaly dia hafanaina eo ambony afo tena malefaka. Dia hosorana menaka atao manify ny lapoaly dia araraka ny paty efa vita toy ny manao crêpe mihitsy dia saromana,dia avadika dia saromana hatrany dia vita. 

Mazotoa an. 

Nahandron'i Hanitra Jessica Ramaroson Andria

 

 

Catégorie: