Mofo mangahazo

986

CROQUETTE DE MANIOC – MOFO MANGAHAZO

 

ZAVATRA ILAINA

Mangahazo 2 (miovaova araka ny habean'ny mangahazo ny akora ilaina)
sira
dipoavatra raha tiana
lafarina  2 sotro fihinana 
atody 1
dibera kely
fromazy voakiky
menaka fanendasana

 

FIKARAKARANA AZY:

Voasana ny mangahazo dia kikisana (amin’ny fikikisana karoty atao ilay madidnika) somary potserina avy eo hiala ny ranony tsy ilaina.

Asiana sira sy dipoavatra izay tiana, atody1,  dibera kely efa navoala mialoha mba halemilemy, dia afangaro tsara; rarahana lafarina kely ihany koa ary farany ny fromazy voakiky.

Hafanaina ny menaka ka atao amin’ny vilany kely na lapoaly kely mba tsy  ho mora mangatsiaka rehefa manendy .
Raisina amin’ny sotro roa eto dia volavolaina kely dia endasina amin'ny menaka mandifotra azy. 

Apetraka ambony taratasy na "sopalin" mba hitsika tsara ny menaka.

Mazotoa o 

 

Catégorie: