Mofo trondro

994

Zaraina am-pitiavana sy am-pifaliana 
RECETTE EN POESIE 

MOFO TRONDRO !

Mofo trondro, izay no anarany,
Fa tsotra kely ny tantarany!
Mila trondro nilon-tsira 400g
Levure 1 sachet sy farine 400g.

1 citron sy 1 sotrokely ny sakay,
Ary alaiko any tokontany ny sisan'izay. 
Izany hoe ny atody 4 an'ny akoho,
Persil, oignon ary tongolo gasy koa!

Hafanaina ny rano angotraka,
Atsoboka ao ilay nofon-trondro hisokatra.
Vetivety ihany fa tsy atao masaka,
Esory ny taolany tandremo sao latsaka!

Ireo zava-maitso indray teteho,
Kapohy ny atody rehefa avy eo. 
Rehefa izay, ny rehetra, afangaroy,
Ampio rano 1 vera mba hirohy.

Dia ajanony hilona eo 30 minitra,
Hafanao ny menaka, tandremo sao ritra!
Dia arotsaho ao amin'ny sotrokely,
Alaivo moramora, ataovy tsikelikely.

Dimy amby fitopolo, ireo no isa vitany,
Izay voatsaingoka aloha dia tsy ho hitany!
Fa tsara loatra hoy aho ilay izy,
Mba hanamboary re ny ankizy. ;)

Tonokalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
anio 24/04/2017

 

Catégorie: