Mofo voanio

465

MOFO COCO - mofo voanio

Recette 1 nahandron'i Anayah LunaLuna

ZAVATRA ILAINA:

coco, lafarina, siramamy, rano.

FIKARAKARANA :

alaina ny coco, vakina de kikisana, avy eo arotsaka ny farine (tsy misy fatrany moa fa ataontsika fotsiny ny hampifandanja azy amin'ny fatran'ilay coco voakiky, raha tsy izany tsy dia heno ny tsiron'ilay coco), avy eo asina siramamy arak'izay tiana, avy eo asio rano kely mba azahoana pate ( marihina fa tokony ho madity ny pate azontsika), azo bolabolaina io mba azahoana ilay endrika tiana (lavalava na boribory), makà sous-tasse de asio menaka kely de apetaka eo ambony ny fela-tanana de iny no ambolalaina anazy.

farany endaso amin'ny menaka mafana tsara.

Recette 2 nahandron'i Manitra Razanabololona

zavatra ilaina: 
coco, lafarina, siramamy, rano, vanille

Fikarakarana azy 

maka lay coco kikisanao iny angalanao 1 kpk, ilay ambiny asianao rano mangotraka 1 vera dia ilay lait de coco 1 vera afangaro amin'ny lafarina 2 boite yaourt, siramamy zay tiana, vanille kely.
Afangaro tsara rehefa mitovy amin'ny pate mofo baolina izy dia volavolaina dia hendasina amin'ny ny menaka mafana mandifotra azy

Mazotoa ary o
Sary nindramina mba anehoana ny bika fotsiny an 

 

Catégorie: